1 Samuel 17:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lasa nanaraka an’i Saoly nankany an-tafika ny zokiny telo lahy tamin’ny zanak’i Jese. Ny anaran’izy telo lahy zanany izay lasa nankany an-tafika dia Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, ary Sama izay fahatelony;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lasa nanaraka an’i Saola tany amin’ny ady ny telo lahy zokiny tamin’ny zanak’i Isaï; ary izao no anaran’ireo zanany telo lahy lasa tany amin’ny ady: Eliaba no lahimatoa, Abinadaba no lahiaivo, ary Samà no fahatelony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny zanany telolahy zokiny, i Eliaba sy i Abinadaba ary i Samà, dia voaantso miaramila ka niara-niantafika tamin’i Saoly. Fa i Davida kosa, ilay zandriny indrindra,
Malagasy Bible 1865
ary ny zokiny telo lahy tamin'ny zanak'i Jese lasa nanaraka an'i Saoly nankany an-tafika; ary ny anaran'ny zanany telo lahy lasa nankany an-tafika dia Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, ary Sama no fahatelony;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lasa nanaraka an’i Saoly nankany an-tafika ny zokiny telo lahy tamin’ny zanak’i Jese. Ny anaran’izy telo lahy zanany izay lasa nankany an-tafika dia Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, ary Sama izay fahatelony;
malagasy