1 Samuel 17:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ento ho an’ny mpifehy arivony ireto fromazy didiny folo ireto, dia jereo na finaritra ny rahalahinao, na manao ahoana, ary itondray antoka amin’izany aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ento koa ireto frômazy folo ireto, ho an’ny mpifehy arivony. Dia hamangy ny rahalahinao ianao, hizahanao raha tsara ihany izy, ary mitondrà famantarana avy any aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ento koa ireto frômazy folo ireto ho an’ny kômandin’ny antokon-tafika. Dia jereo ireo rahalahinao na mba nanao ahoana ihany izay izy ireo any. Ho hitanao raha toa ka salama tsara izy ireo, ary dia hitondranao vaovao tsara momba azy ireo aho.
Malagasy Bible 1865
Ary ento ho an'ny mpifehy arivony ireto fromazy didiny folo ireto, dia izahao na tsara ihany ny rahalahinao, na manao ahoana, ary itondray izay hahafantarako ny toeny aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ento ho an’ny mpifehy arivony ireto fromazy didiny folo ireto, dia jereo na finaritra ny rahalahinao, na manao ahoana, ary itondray antoka amin’izany aho.
malagasy
Ary ento ho an'ny mpifehy arivony ireto fromazy didiny folo ireto, dia izahao na tsara ihany ny rahalahinao, na manao ahoana, ary itondray izay hahafantarako ny toeny aho.