1 Samuel 17:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nifoha vao maraina i Davida ka namela ny ondriny hotandreman’olona, ary naka ny entany izy ka lasa nandeha araka ny nandidian’i Jese azy; dia tonga teo amin’ny toerana fitobian-tsarety izy; tamin’izay ny antokon’ny miaramila izay efa hivoaka hilahatra dia nanakora hiady.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nifoha maraina koa i Davida, dia navelany tamin’ny mpiandry anankiray ny ondriny, noraisiny ireto vatsy ka nandeha araka ny nandidian’i Isaï azy izy. Tamin’ny nahatongavany tao amin’ny fitobiana indrindra dia nivoaka avy eo an-toby ndeha hilahatra hiady ny tafika, ka velona ny akoran’ady.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny ampitso vao maraina dia napetrak’i Davida tamin’ny mpiandry hafa ny ondriny. Noraisiny ny entany, dia lasa izy araka ny tenin’i Jisay, ary tonga tany an-toby. Tamin’izay indrindra ny miaramila no milahatra hivoaka hiady sady velona hiakan’ady.
Malagasy Bible 1865
Dia nifoha maraina koa Davida ka namela ny ondriny hotandreman'olona, ary naka ny entany izy ka lasa nandeha araka ny nandidian'i Jese azy; ary tonga teo amin'ny sehatra-sariety izy; ary ny antokon'ny miaramila izay efa hivoaka hilahatra dia nanakora hiady tamin'izay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nifoha vao maraina i Davida ka namela ny ondriny hotandreman’olona, ary naka ny entany izy ka lasa nandeha araka ny nandidian’i Jese azy; dia tonga teo amin’ny toerana fitobian-tsarety izy; tamin’izay ny antokon’ny miaramila izay efa hivoaka hilahatra dia nanakora hiady.
malagasy