1 Samuel 17:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary namela ny entany teo an-tanan’izay niambina entana i Davida dia nihazakazaka nankeny amin’ny laharan’ny miaramila ary tonga ka nanontany ny amin’izay momba ny rahalahiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Navelan’i Davida teo amin’ny mpiambina entana ny entany teny aminy, dia nihazakazaka nankeny amin’ny miaramila izy. Avy hatrany dia nanontany ny rahalahiny ny toe-pahasalamany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Natolotr’i Davida ny mpiambina ireo entana nentiny, ary dia lasa izy nilomay nankeny am-bava ady nanontany izay vaovao momba ireo rahalahiny.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida namela ny entany teo anilan'ny mpiambina entana, dia nihazakazaka nankeny amin'ny laharan'ny miaramila, ary tonga ka nanontany ny amin'izay toetry ny rahalahiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary namela ny entany teo an-tanan’izay niambina entana i Davida dia nihazakazaka nankeny amin’ny laharan’ny miaramila ary tonga ka nanontany ny amin’izay momba ny rahalahiny.
malagasy
Ary Davida namela ny entany teo anilan'ny mpiambina entana, dia nihazakazaka nankeny amin'ny laharan'ny miaramila, ary tonga ka nanontany ny amin'izay toetry ny rahalahiny.