1 Samuel 17:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy ny lehilahin’ny Israely: Efa hitanareo va io lehilahy miakatra io? Hihantsy ny Israely no iakarany; koa izay lehilahy mahafaty io dia hataon’ny mpanjaka ho manankarena be tokoa, ary homeny azy ho vadiny koa ny zanany vavy sady tsy hampandoavin-ketra amin’ny Israely ny taranaky ny rainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy ny Israelita anankiray nanao hoe: «Jereo kely ity lehilahy mandroso eto! Hihaika an’i Israely no androsoany. Ka izay lehilahy mahafaty an’io dia sady homen’ny mpanjaka harem-bevava no homeny ny zanany vavy ho vady, ary tsy hampandoaviny hetra ny tranon-drainy eo amin’i Israely».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa hoy izy samy izy hoe: «Hitanareo ve io lehilahy miakatra io. Hihaika antsika Israelita no anton’ny niakarany. Koa izay maharesy azy io dia hataon’ny mpanjaka tretrika tokoa amin’ny hareny, sady homeny ho vadiny ny zanany vavy ary ny fianakaviany hahazo tombontsoa manokana eo amin’i Israely.»
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny lehilahy amin'ny Isiraely: Efa hitanareo va io lehilahy miakatra io? Hihaika ny Isiraely no iakarany; koa izay lehilahy mahafaty io dia hataon'ny mpanjaka manan-karem-bevava, ary dia homeny koa ny zananivavy ho vadiny, sady tsy hampandoavin-ketra amin'ny Isiraely ny tarana-drainy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy ny lehilahin’ny Israely: Efa hitanareo va io lehilahy miakatra io? Hihantsy ny Israely no iakarany; koa izay lehilahy mahafaty io dia hataon’ny mpanjaka ho manankarena be tokoa, ary homeny azy ho vadiny koa ny zanany vavy sady tsy hampandoavin-ketra amin’ny Israely ny taranaky ny rainy.
malagasy