1 Samuel 17:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandre azy niresaka tamin’ny olona i Eliaba zokiny dia nirehitra tamin’i Davida ny fahatezerany ka hoy izy: Nahoana ianao no midina etỳ? Ary amin’iza moa no namelanao ireny ondry vitsy ireny any an-tany efitra? Fantatro ny avonavonao sy ny faharatsian’ny fonao, fa hizaha ny ady no idinanao etỳ.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nirehitra tamin’i Davida ny fahatezeran’i Eliaba zokiny lahimatoa, nony nandre azy niteny tamin’ireo olona ireo izy, ka hoy izy: «Fa inona moa no nidinanao atỳ? Ary iza no namelanao ireny ondry vitsy ireny, any an’efitra? Fantatro moa raha ny avonavonao sy ny haratsiam-ponao, ny hizaha ny ady fotsiny no nidinanao tatỳ!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa i Eliaba zokiny lahimatoa kosa, raha nandre azy tafaresaka tamin’ny miaramila, dia nisafoaka tamin’i Davida ka nanao hoe: –Inona moa no ataonao atỳ? Iza no namelanao ireo ondrinao vitsivitsy any an-taniefitra? Fantatro tsara ny fieboeboanao sy ny haratsiam-panahinao, fa hijery ady no nahatongavanao.
Malagasy Bible 1865
Ary Eliaba zokiny nandre azy niteny tamin'ny olona dia nirehitra tamin'i Davida ny fahatezerany, ka hoy izy: Nahoana ianao no midina etỳ? Ary amin'iza moa no namelanao ireny ondry vitsy ireny any an-efitra? fantatro ny avonavonao sy ny faharatsian'ny fonao, fa hizaha ny ady no idinanao etỳ.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandre azy niresaka tamin’ny olona i Eliaba zokiny dia nirehitra tamin’i Davida ny fahatezerany ka hoy izy: Nahoana ianao no midina etỳ? Ary amin’iza moa no namelanao ireny ondry vitsy ireny any an-tany efitra? Fantatro ny avonavonao sy ny faharatsian’ny fonao, fa hizaha ny ady no idinanao etỳ.
malagasy