1 Samuel 17:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy i Saoly tamin’i Davida: Tsy tohanao ny handeha hiady amin’io Filistina io, satria mbola tanora loatra ianao, nefa izy dia mpiady hatramin’ny fahazazany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy i Saola tamin’i Davida: «Tsy azonao atao ny mandroso hihaona amin’io Filistinina io mba hiady aminy, fa ianao mbola zaza, izy efa lehilahy mpiady hatramin’ny fahatanorany».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy kosa i Saoly tamin’i Davida: –Aoka itsỳ, anaka, tsy azonao atao ny hiady amin’io Filistinina io. Mbola zaza loatra ianao nefa izy dia efa miaramila hatramin’ny fahatanorany.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Saoly tamin'i Davida: Tsy tohanao ny handeha hiady amin'io Filistina io, satria mbola zaza ianao, fa izy efa mpiady hatrizay niainany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy i Saoly tamin’i Davida: Tsy tohanao ny handeha hiady amin’io Filistina io, satria mbola tanora loatra ianao, nefa izy dia mpiady hatramin’ny fahazazany.
malagasy
Fa hoy Saoly tamin'i Davida: Tsy tohanao ny handeha hiady amin'io Filistina io, satria mbola zaza ianao, fa izy efa mpiady hatrizay niainany.