1 Samuel 17:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny liona sy ny bera dia samy novonoin’ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny iray amin’ireny, satria nihantsy ny miaramilan’Andriamanitra velona izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa samy novonoin’ny mpanomponao ihany ny liona sy ny orsa, ka ho tahaka ny iray amin’ireny koa ilay Filistinina, ilay tsy mifora io; fa efa naniratsira ny tafiky ny Andriamanitra velona».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha izany no nahafatesan’ny mpanomponao ny liona sy ny bera, dia ho tahaka izany koa no hanjo io Filistinina mpanompo sampy io, satria nihantsy ny tafik’ilay Andriamanitra velona izy.
Malagasy Bible 1865
Ny liona sy ny bera samy novonoin'ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny anankiray amin'ireny, satria nihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny liona sy ny bera dia samy novonoin’ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny iray amin’ireny, satria nihantsy ny miaramilan’Andriamanitra velona izy.
malagasy
Ny liona sy ny bera samy novonoin'ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny anankiray amin'ireny, satria nihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona izy.