1 Samuel 17:37 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy koa i Davida: NY TOMPO izay namonjy ahy tamin’ny tanan’ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin’ny tanan’io Filistina io. Dia hoy i Saoly tamin’i Davida: Mandehana ary, homba anao anie NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy koa i Davida: «I Iaveh izay efa namonjy ahy tamin’ny liona sy ny orsa, no hamonjy ahy koa amin’ny tanan’io Filistinina io». Ka hoy i Saola tamin’i Davida: «Andeha àry, ary homba anao anie i Iaveh».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny TOMPO izay efa niaro ahy tamin’ny hohon’ny liona sy ny bera, dia hanafaka ahy koa amin’ny tanan’io Filistinina io. Dia hoy i Saoly tamin’i Davida: –Mandehana àry, ka homba anao anie ny TOMPO!
Malagasy Bible 1865
Ary hoy koa Davida; Jehovah, Izay namonjy ahy tamin'ny tanan'ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin'ny tanan'io Filistina io. Dia hoy Saoly tamin'i Davida; Mandehana, ary homba anao anie Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy koa i Davida: NY TOMPO izay namonjy ahy tamin’ny tanan’ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin’ny tanan’io Filistina io. Dia hoy i Saoly tamin’i Davida: Mandehana ary, homba anao anie NY TOMPO.
malagasy