1 Samuel 17:39 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Namehy ny sabany tamin’ny akanjo fiadiany i Davida dia nanandrana nandeha; nefa tsy mbola nahazatra azy izany ka hoy izy tamin’i Saoly: Tsy afa-mandeha amin’ireto aho fa tsy mbola nahazatra ahy; dia nesorin’i Davida ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nafehin’i Davida teo ambonin’ny akanjo fiadiany koa ny sabatr’i Saola, dia nanandrana namindra izy, fa mbola tsy nanandrana na oviana na oviana. Hoy i Davida tamin’i Saola: «Tsy afa-mamindra amin’ireto fiadiana ireto aho, fa tsy mba zatra amin’itony». Dia nesorin’i Davida ireny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mbola nafatotr’i Davida tamin’ny akanjony koa ny sabatr’i Saoly, ary dia nanandrana namindra izy, nefa tsy afaka, satria tsy mbola zatra nitondra ireny, ka dia hoy izy tamin’i Saoly: «Tsy mba afa-mamindra amin’ireto zavatra tsy nahazatra ahy ireto aho.» Ary nesorin’i Davida teny aminy avokoa ireny.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida namehy ny sabany tamin'ny akanjo fiadiany, dia nanandrana handeha; fa tsy mbola nahazatra azy izany, ka hoy izy tamin'i Saoly: Tsy afa-mandeha amin'ireto aho, fa tsy mbola nahazatra ahy; ary dia nesorin'i Davida izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Namehy ny sabany tamin’ny akanjo fiadiany i Davida dia nanandrana nandeha; nefa tsy mbola nahazatra azy izany ka hoy izy tamin’i Saoly: Tsy afa-mandeha amin’ireto aho fa tsy mbola nahazatra ahy; dia nesorin’i Davida ireo.
malagasy