1 Samuel 17:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy lehilahy iray mpihantsy ady nivoaka avy teny amin’ny tobin’ny Filistina, Goliata no anarany; avy any Gata izy. Enina hakiho sy irain-jehy ny halavany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay dia nivoaka avy teo amin’ny tobin’ny Filistinina ity mpiady anankiray, Gôliata no anarany, ary avy any Geta: enina hakiho sy irain-jehy ny halavany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nisy rapeton’olona nivoaka ny tobin’ny Filistinina mba hihantsy ady amin’ny Israelita; ny anarany dia i Gôliata, ary avy any Gata izy. Nirefy tokony ho telo metatra izy.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy lehilahy iray mpihantsy ady nivoaka avy teny amin'ny tobin'ny Filistina, Goliata avy any Gata no anarany; enina hakiho sy irain-jehy no halavany
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy lehilahy iray mpihantsy ady nivoaka avy teny amin’ny tobin’ny Filistina, Goliata no anarany; avy any Gata izy. Enina hakiho* sy irain-jehy ny halavany.
malagasy
Ary nisy lehilahy iray mpihantsy ady nivoaka avy teny amin'ny tobin'ny Filistina, Goliata avy any Gata no anarany; enina hakiho sy irain-jehy no halavany