1 Samuel 17:40 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandray an-tanana ny tehiny izy sady nifidy vatokilonjy dimy tao amin’ny lohasahan-driaka ka nataony tao anatin’ny kitapo fitondran’ny mpiandry ondry izay teny aminy, ary teny an-tanany koa ny antsamotadiny; dia nanatona ilay Filistina izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny tehiny no noraisiny teny an-tanany, vato kilonjy dimy no nofantenany teny amin’ny rian-driaka sy nataony tao an-kitapo fitondran’ny mpiandry ondry, kotra fasiana haza; ary ny antsamotadiny no nataony an-tanana, dia nandroso nanatona an’ilay Filistinina izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noraisiny ny tehiny, dia lasa izy nifantina vato kilonjy dimy terỳ amoron’ny ranon-driaka, ka nataony tao anaty kitapony fitondra miandry ondry. Nataony an-tanana ny antsamotadiny, dia roso izy hiatrika ilay Filistinina.
Malagasy Bible 1865
Dia nitondra ny tehiny teny an-tànany izy sady nifidy vato kilonjy dimy tao amin'ny lohasahan-driaka, ka nataony tao anatin'ny kitapo fitondran'ny mpiandry ondry, izay teny aminy, ary ny antsamotadiny koa teny an-tànany; dia nanatona ilay Filistina izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandray an-tanana ny tehiny izy sady nifidy vatokilonjy dimy tao amin’ny lohasahan-driaka ka nataony tao anatin’ny kitapo fitondran’ny mpiandry ondry izay teny aminy, ary teny an-tanany koa ny antsamotadiny; dia nanatona ilay Filistina izy.
malagasy