1 Samuel 17:45 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy kosa i Davida tamin’ilay Filistina: Ianao dia manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa dia manatona anao amin’ny anaran’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny miaramilan’ny Israely, izay efa nohantsianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy kosa ny navalin’i Davida an’ilay Filistinina: «Ianao manatona ahy amin’ny sabatra aman-defona sy lefom-pohy, fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Iavehn’ny tafika, ny Andriamanitry ny foloalindahin’i Israely, izay notsiratsirainao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny navalin’i Davida azy: –Manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy ianao, izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’ny TOMPOn’izao rehetra izao, Andriamanitry ny tafik’i Israely, Izay efa nohantsinao.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy kosa Davida tamin'ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny miaramilan'ny Isiraely, Izay efa nohaikainao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy kosa i Davida tamin’ilay Filistina: Ianao dia manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa dia manatona anao amin’ny anaran’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny miaramilan’ny Israely, izay efa nohantsianao.
malagasy