1 Samuel 17:46 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Anio no hanoloran’NY TOMPO anao ho eo an-tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voromanidina sy ny bibidia ny fatin’ny miaramilan’ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra ny fisian’ny Andriamanitry ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Anio dia hatolotr’i Iaveh eo an-tanako ianao, ka hasiako ianao, ary hoesoriko eo amboninao ny lohanao; anio dia homeko ny voromanidina any an-danitra sy ny bibin’ny tany ny fatin’ny tafiky ny Filistinina, ka ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra Israely;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Anio ihany no hanoloran’ny TOMPO anao ho eo am-pelatanako, hahafaty anao aho ka hanapaka ny lohanao. Anio koa dia homeko hohanin’ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatin’ny miaramila filistinina. Ary ho fantatry ny tany tontolo fa manana Andriamanitra tokoa i Israely.
Malagasy Bible 1865
Anio no hanoloran'i Jehovah anao amin'ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin'ny miaramilan'ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Anio no hanoloran’NY TOMPO anao ho eo an-tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voromanidina sy ny bibidia ny fatin’ny miaramilan’ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra ny fisian’ny Andriamanitry ny Israely.
malagasy