1 Samuel 17:49 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia natsofok’i Davida tao anaty kitapo ny tanany ka naka vato tao izy; nalefany tamin’ny antsamotady izany ka nahavoa ilay Filistina teo amin’ny handriny; nilentika tamin’ny handriny ny vato, ary potraka niankohoka tamin’ny tany izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka natsofok’i Davida tao anatin’ny kotrany ny tanany, notsoahany avy tao ny vato iray, ary nalefany tamin’ny antsamotady. Nahavoa ilay Filistinina tamin’ny handriny izy, sady niletra tamin’ny handriny ny vato, ka lavo niankohoka tamin’ny tany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandray vato tao anaty kitapony i Davida ary nandefa izany tamin’ny antsamotady ka nahavoa ilay Filistinina teo an-tampon-kandriny. Tafalentika teo ilay vato ka nidaraboka niankohoka tamin’ny tany izy.
Malagasy Bible 1865
Ary natsofok'i Davida tao an-kitapo ny tananay, ka naka vato tao izy, ka dia nalefany tamin'ny antsamotady, ka nahavoa ilay Filistina tamin'ny handriny, ary nilentika tamin'ny handriny ny vato, dia potraka niankohoka tamin'ny tany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia natsofok’i Davida tao anaty kitapo ny tanany ka naka vato tao izy; nalefany tamin’ny antsamotady izany ka nahavoa ilay Filistina teo amin’ny handriny; nilentika tamin’ny handriny ny vato, ary potraka niankohoka tamin’ny tany izy.
malagasy