1 Samuel 17:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisatroka fiarovan-doha varahina izy ary niakanjo varahina tahaka ny kiran-trondro ka ny lanjan’ny akanjony varahina dia dimy arivo sekela.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satroka valala mihoatra no nanarona ny lohany ary fiarovan-tratra varahina mihelakelaka no nentiny, ary dimy arivo sikla varahina ny lanjan’ny fiarovan-tratra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
satroka varahina aro loha sy fonon-dranjo varahina no nanaovany, ary akanjo misy kirana varahina milanja 60 kilao no aro tena teny aminy. Nisamboady lefom-barahina izy.
Malagasy Bible 1865
Ary nisatroka fiarovan-doha varahina izy, ary niakanjo fiarovan-tratra, ka ny lanjan'ny akanjony varahina dia dimy arivo sekely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisatroka fiarovan-doha varahina izy ary niakanjo varahina tahaka ny kiran-trondro ka ny lanjan’ny akanjony varahina dia dimy arivo sekela.
malagasy
Ary nisatroka fiarovan-doha varahina izy, ary niakanjo fiarovan-tratra, ka ny lanjan'ny akanjony varahina dia dimy arivo sekely.[Vy na varahina nifanindritsindry lany tahaka ny kiran'ny hazan-drano]