1 Samuel 17:50 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy izany no nandresen’i Davida ilay Filistina tamin’ny vaton’antsamotady; namely ilay Filistina izy ka nahafaty azy, nefa tsy nisy sabatra teny an-tanan’i Davida.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahomby noho ilay Filistinina izany i Davida tamin’ny antsamotady iray sy ny vato iray, dia novonoiny ho faty ilay Filistinina. Tsy nisy sabatra teny an-tanan’i Davida.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy izany no nandresen’i Davida an’i Gôliata ka namonoany azy tamin’ny antsamotady sy ny vato, fa tsy mba tamin’ny sabatra.
Malagasy Bible 1865
Toy izany no nandresen'i Davida ilay Filistina tamin'ny vaton'antsamotady, fa namely ilay Filistina izy ka nahafaty azy, ary tsy nisy sabatra teny an-tànan'i Davida.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy izany no nandresen’i Davida ilay Filistina tamin’ny vaton’antsamotady; namely ilay Filistina izy ka nahafaty azy, nefa tsy nisy sabatra teny an-tanan’i Davida.
malagasy
Toy izany no nandresen'i Davida ilay Filistina tamin'ny vaton'antsamotady, fa namely ilay Filistina izy ka nahafaty azy, ary tsy nisy sabatra teny an-tànan'i Davida.