1 Samuel 17:51 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nihazakazaka i Davida ka nitsangana teo anilan’ilay Filistina, ary nalainy ny sabatr’Ilehio ka notsoahany tamin’ny tranony dia namonoany azy sy nanapahany ny lohany. Nony hitan’ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny dia vaky nandositra izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nihazakazaka i Davida dia niato teo akaikin’ilay Filistinina, ary nalainy ny sabany, notsoahany tamin’ny tranony, ka namonoany azy, sy nanapahany ny lohany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nihazakazaka nankeny amin’i Gôliata i Davida ka nanatsoaka ny sabatr’i ilay rapeto tamin’ny tranony ary nanapaka ny lohany. Koa rehefa hitan’ny Filistinina fa maty ilay maherifony, dia nitsoaka nandositra izy ireo.
Malagasy Bible 1865
Dia nihazakazaka Davida ka nitsangana teo anilan'ilay Filistina, dia nalainy ny sabatr'ilehio ka notsoahany tamin'ny tranony, dia namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. Ary nony hitan'ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny, dia vaky nandositra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nihazakazaka i Davida ka nitsangana teo anilan’ilay Filistina, ary nalainy ny sabatr’Ilehio ka notsoahany tamin’ny tranony dia namonoany azy sy nanapahany ny lohany. Nony hitan’ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny dia vaky nandositra izy ireo.
malagasy