1 Samuel 17:52 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitsangana ny lehilahin’ny Israely sy ny Joda ka nanakora sy nanenjika ny Filistina hatrany akaikin’i Gata sy ny vavahadin’i Ekrona; ary ireo izay lavo tamin’ny Filistina dia niampatrampatra teny amin’ny lalana mankany Saraima, hatrany Gata ka hatrany Ekrona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony hitan’ny Filistinina fa maty ilay olo-maheriny, dia vaky nandositra izy ireo. Ary nitsangana ny lehilahy amin’i Israely sy i Jodà sady nanakora ary nanenjika ny Filistinina hatrany amin’ny fidirana ao Geta, sy hatrany am-bavahadin’i Akarôna. Niampatrampatra teny an-dalana ny fatin’ny Filistinina hatrany Saraima ka hatrany Geta sy Akarôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tafatsangana ny miaramilan’i Israely sy i Joda ka nanao hiakan’ady sady nanenjika ny Filistinina hatrany am-bavahadin’i Gata sy i Hekrôna. Ary ny fatin’ny Filistinina niampatrampatra teny an-dalan’i Saharaîma ka hatrany Gata sy i Hekrôna.
Malagasy Bible 1865
Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely sy ny Joda dia nitsangana ka nanakora sy nanenjika ny Filistina hatrany akaikin'i Gay sy ny vavahadin'i Ekrona; ary izay voa tamin'ny Filistina dia niampatrampatra teny amin'ny lalana mankany Saraima ary hatrany Gata ka hatrany Ekrona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitsangana ny lehilahin’ny Israely sy ny Joda ka nanakora sy nanenjika ny Filistina hatrany akaikin’i Gata sy ny vavahadin’i Ekrona; ary ireo izay lavo tamin’ny Filistina dia niampatrampatra teny amin’ny lalana mankany Saraima, hatrany Gata ka hatrany Ekrona.
malagasy
Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely sy ny Joda dia nitsangana ka nanakora sy nanenjika ny Filistina hatrany akaikin'i Gay sy ny vavahadin'i Ekrona; ary izay voa tamin'ny Filistina dia niampatrampatra teny amin'ny lalana mankany Saraima ary hatrany Gata ka hatrany Ekrona.[Na: (Gata)]