1 Samuel 17:55 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nahita an’i Davida nandeha hiady tamin’ny Filistina i Saoly dia hoy izy tamin’i Abnera, komandin’ny miaramila: Ry Abnera, zanak’iza moa iny zatovo iny? Ary hoy i Abnera: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka, tsy fantatro velively.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony efa nahita an’i Davida nandroso hiady amin’ilay Filistinina i Saola dia nanontany an’i Abnera, lehiben’ny foloalindahy hoe: «Zanak’iza moa iny zazalahy iny, ry Abnera?» Ary hoy i Abnera: «Marina toy ny maha-velona ny fanahinao, raha mba fantatro velively, ry mpanjaka.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa hitan’i Saoly ny nandehanan’i Davida nifanandrina tamin’ilay Filistinina, dia nanontany an’i Abinera kômandin’ny tafika izy hoe: –Zanak’iza moa iny tovolahy iny, ry Abinera? Ka novalian’i Abinera hoe: –Velona ny ainao, ry andriamanjaka, fa tena tsy fantatro mihitsy iny tovolahy iny.
Malagasy Bible 1865
Ary nony nahita an'i Davida nandeha hiady tamin'ny Filistina Saoly, dia hoy izy tamin'i Abnera, komandin'ny miaramila: Ry Abnera, zanak'iza moa iny zaza iny? Ary hoy Abnera: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka, tsy fantatro velively.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nahita an’i Davida nandeha hiady tamin’ny Filistina i Saoly dia hoy izy tamin’i Abnera, komandin’ny miaramila: Ry Abnera, zanak’iza moa iny zatovo iny? Ary hoy i Abnera: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka, tsy fantatro velively.
malagasy
[Ny nitoeran'i Davida tao amin'i Saoly, sy ny nialonan'i Saoly azy] Ary nony nahita an'i Davida nandeha hiady tamin'ny Filistina Saoly, dia hoy izy tamin'i Abnera, komandin'ny miaramila: Ry Abnera, zanak'iza moa iny zaza iny? Ary hoy Abnera: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka, tsy fantatro velively.