1 Samuel 17:57 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony niverina avy namono ilay Filistina i Davida dia nalain’i Abnera izy ka noentiny teo anatrehan’i Saoly, ary mbola teny an-tanany ihany ny lohan’ilay Filistina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony niverina avy namono an’ilay Filistinina i Davida, dia nalain’i Abnera ka nentiny nankeo anatrehan’i Saola; ny lohan’ilay Filistinina dia teny an-tanany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa rehefa tafaverina an-toby avy nahafaty an’i Gôliata i Davida, dia nalain’i Abinera izy ary nentiny tany amin’i Saoly. Mbola teny an-tanany amin’izany ny lohan’lay Filistinina.
Malagasy Bible 1865
Ary nony niverina avy namono ilay Filistina Davida, dia nalain'i Abnera izy ka nentiny teo anatrehan'i Saoly, ary mbola teny an-tànany ihany ny lohan'ilay Filistina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony niverina avy namono ilay Filistina i Davida dia nalain’i Abnera izy ka noentiny teo anatrehan’i Saoly, ary mbola teny an-tanany ihany ny lohan’ilay Filistina.
malagasy
Ary nony niverina avy namono ilay Filistina Davida, dia nalain'i Abnera izy ka nentiny teo anatrehan'i Saoly, ary mbola teny an-tànany ihany ny lohan'ilay Filistina.Dia hoy Saoly taminy: Zanak'iza moa ianao, ry zatovo? Ary hoy Davida: Zanak'i Jese Betlehemita mpanomponao aho.