1 Samuel 17:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tahaka ny voditenon’ny mpanenona ny haben’ny zaran-defony; ary ny lela lefony dia vy milanja eninjato sekela; nisy nitondra ny ampinga lehibe nandeha teo alohany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
tahaka ny voditenon’ny mpanenona no haben’ny zaran-defony, vy lanjana enin-jato sikla ny lela lefona, ary nandeha teo alohany ny mpitondra ampinga.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitondra lefona iray koa izy ka ny zarany dia lehibe toy ny voditenon’ny mpanenona ary ny lelany dia vy mihoatra ny fito kilao. Nisy miaramila iray mpitondra ny ampingany ka mialoha azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny haben'ny zaran-defony dia tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona; ary ny lela-lefony dia vy lanjan-tsekely enin-jato; ary nisy nitondra ny ampinga lehibe nandeha teo alohany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tahaka ny voditenon’ny mpanenona ny haben’ny zaran-defony; ary ny lela lefony dia vy milanja eninjato sekela; nisy nitondra ny ampinga lehibe nandeha teo alohany.
malagasy
Ary ny haben'ny zaran-defony dia tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona; ary ny lela-lefony dia vy lanjan-tsekely enin-jato; ary nisy nitondra ny ampinga lehibe nandeha teo alohany.