1 Samuel 17:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nijanona izy ka niantso ny miaramilan’ny Israely ary niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mivoaka hilahatra hiady? Tsy Filistina va aho ary ianareo kosa dia mpanompon’i Saoly? Mifidiana lehilahy iray ianareo hidina etỳ hiady amiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitsatoka izy, dia niantso ny antokon’i Israely ka niteny tamin’ny feo avo nanao hoe: «Ahoana ange no nivoahanareo hilahatra hiady? Moa tsy Filistinina aho, ary ianareo kosa moa tsy mpanompon’i Saola? Koa mifidiana lehilahy anankiray ianareo, hidina hikatroka amiko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nijanona i Gôliata ary nitodika tamin’ny miaramila israelita sady niantsoantso hoe: –Nahoana ianareo no vory atrika hiady? Filistinina aho, ary ianareo kosa andevon’i Saoly. Mifidiana ianareo lehilahy iray hidina etỳ hiady amiko.
Malagasy Bible 1865
Ary nijanona izy, dia niantso ny miaramilan'ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mivoaka hilahatra hiady? Tsy Filistina va aho, ary ianareo kosa mpanompon'i Saoly? Mifidiana lehilahy iray ianareo, ary aoka izy hidina etỳ amiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nijanona izy ka niantso ny miaramilan’ny Israely ary niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mivoaka hilahatra hiady? Tsy Filistina va aho ary ianareo kosa dia mpanompon’i Saoly? Mifidiana lehilahy iray ianareo hidina etỳ hiady amiko.
malagasy