1 Samuel 18:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony ampitson’iny dia nisy fanahy ratsy avy tany amin’Andriamanitra tonga tamin’i Saoly ka nihetsiketsika teo ampovoan-trano izy; i Davida moa dia nitendry lokanga tamin’ny tanany tahaka ny fanaony isanandro ihany, ary nisy lefona teny an-tanan’i Saoly.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny ampitson’izay dia nisy fanahy ratsy avy tamin’Andriamanitra latsaka tamin’i Saola, ka nihoalahoala teo afovoan’ny tranony izy. Dia nitendry harpa, araka ny fanaony amin’ny andro hafa i Davida, ary teo an-tanan’i Saola ny lefony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny ampitso, dia nisy fanahy ratsy nalefan’Andriamanitra nilatsaka tamin’i Saoly, ka nampirediredy azy eran’ny trano. Toy ny fanaony dia nitendren’i Davida feon-kira tamin’ny harpa i Saoly izay efa nitana lefona.
Malagasy Bible 1865
Ary nony ampitson'iny dia nisy fanahy ratsy avy tany amin'Andriamanitra nilatsaka tamin'i Saoly, ka dia maola tao an-trano izy; ary Davida nitendry lokanga tamin'ny tànany tahaka ny fanaony isan'andro ihany, ary nisy lefona teny an-tànan'i Saoly.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony ampitson’iny dia nisy fanahy ratsy avy tany amin’Andriamanitra tonga tamin’i Saoly ka nihetsiketsika teo ampovoan-trano izy; i Davida moa dia nitendry lokanga tamin’ny tanany tahaka ny fanaony isanandro ihany, ary nisy lefona teny an-tanan’i Saoly.
malagasy