1 Samuel 18:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia natorak’i Saoly ny lefona; fa hoy izy: Hamely an’i Davida aho ka hataoko miboroaka mihatra amin’ny rindrina. Fa niala izany indroa teo anatrehany i Davida.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nampandihizin’i Saola ny lefony; sady nataony hoe: «Hataoko indray migorobaka i Davida sy ny rindrina.» Kanjo indroa i Davida no nihodivitra teo anoloany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Natorak’i Saoly ny lefona sady hoy izy hoe: «Hasiako hifantsika amin’ny rindrina i Davida.» Nefa indroa tsy nahavoa izay satria nahay niala hatrany i Davida.
Malagasy Bible 1865
Dia natorak'i Saoly ny lefona; fa hoy izy: Hamely an'i Davida aho, ka hataoko miboroaka mihatra amin'ny rindrina. Fa Davida nisoroka indroa teo anatrehany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia natorak’i Saoly ny lefona; fa hoy izy: Hamely an’i Davida aho ka hataoko miboroaka mihatra amin’ny rindrina. Fa niala izany indroa teo anatrehany i Davida.
malagasy
Dia natorak'i Saoly ny lefona; fa hoy izy: Hamely an'i Davida aho, ka hataoko miboroaka mihatra amin'ny rindrina. Fa Davida nisoroka indroa teo anatrehany.