1 Samuel 18:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Saoly tamin’i Davida: Indro omeko ho vadinao i Meraba zanako vavimatoa, nefa aoka kosa ianao hahery ho ahy, ary miadia ny adin’NY TOMPO. Fa hoy i Saoly: Aoka tsy ny tanako no hamely azy fa ny tanan’ny Filistina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Saola tamin’i Davida: «Indro homeko ho vadinao i Meroba, zanako vavimatoa. Misehoa ho mahery fo anefa ianao ary tohàny ny adin’i Iaveh». Fa i Saola nanao anakam-po hoe: «Aza ny tanako no mamely azy, fa aoka ny tanan’ny Filistinina no hamely azy».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy i Saoly anakampo hoe: «Aoka aho tsy haninona an’i Davida, fa avelao ny Filistinina no hamono azy!» Izany no nitenenany tamin’i Davida hoe: –Indro i Meràba zanako vavimatoa homeko ho vadinao, raha toa ka manompo ahy amin-kerim-po ianao, ary koa mazoto amin’ireo adin’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Saoly tamin'i Davida: Indro homeko ho vadinao Meraba vavimatoako, koa mahereza ho ahy anefa ianao, ary miadia ny adin'i Jehovah. (Fa hoy Saoly: Aoka tsy ny tanako no hamely azy, fa aoka ny tanan'ny Filistina no hamely azy.)
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Saoly tamin’i Davida: Indro omeko ho vadinao i Meraba zanako vavimatoa, nefa aoka kosa ianao hahery ho ahy, ary miadia ny adin’NY TOMPO. Fa hoy i Saoly: Aoka tsy ny tanako no hamely azy fa ny tanan’ny Filistina.
malagasy