1 Samuel 18:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Saoly: Homeko azy izy, mba ho fandrika aminy ka hamelezan’ny tanan’ny Filistina azy. Indroa izany no nitenenan’i Saoly tamin’i Davida hoe: Aoka ho vinantoko ianao ankehitriny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Saola anakam-po: «Homeko azy izy, mba ho fandrika ho azy, ka hamelezan’ny tanan’ny Filistinina azy». Dia hoy i Saola tamin’i Davida fanindroany: «Ho tonga vinantoko ianao anio».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
hoy izy manko anakampo: «Homeko ho vadiny i Mikàla hahazoako mamandrika azy, ary dia hamono hahafaty azy ny Filistinina.» (Fanindroany izao no nilazan’i Saoly tamin’i Davida ny hahavinantony azy)
Malagasy Bible 1865
(Fa hoy Saoly: Homeko azy izy, mba ho fandrika aminy ka hamelezan'ny tanan'ny Filistina azy.) Dia hoy Saoly tamin'i Davida: Fanindroan'ny maha-vinantoko anao izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Saoly: Homeko azy izy, mba ho fandrika aminy ka hamelezan’ny tanan’ny Filistina azy. Indroa izany no nitenenan’i Saoly tamin’i Davida hoe: Aoka ho vinantoko ianao ankehitriny.
malagasy
(Fa hoy Saoly: Homeko azy izy, mba ho fandrika aminy ka hamelezan'ny tanan'ny Filistina azy.) Dia hoy Saoly tamin'i Davida: Fanindroan'ny maha-vinantoko anao izao. [Na: Izy roa vavy izao dia samy maha-vinantoko anao avokoa]