1 Samuel 18:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpanompon’i Saoly dia nilaza izany teny izany teo an-tsofin’i Davida. Nefa hoy i Davida: Moa heverinareo ho zavatra kely va izany ho vinanton’ny mpanjaka izany? Tsy hitanareo va fa izaho dia olona mahantra sady fanivaiva?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nolazain’ny mpanompon’i Saola tamin’i Davida mba ho ren’ny sofiny izany teny izany; ka hoy ny navalin’i Davida: «Fa ataonareo ho zavatra kely ve izany ho vinanton’ny mpanjaka é? Izaho dia olo-mahantra sy iva razana».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia naverin’ireo minisitr’i Saoly tamin’i Davida izany teny izany. Fa hoy i Davida tamin’izy ireo: –Heverinareo fa zavatra kely moa izany ho vinanton’ny mpanjaka izany? Izaho anefa dia olo-mahantra tsy misy dikany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanompon'i Saoly nilaza izany teny izany tamin'i Davida. Fa hoy Davida: Moa ataonareo ho zavatra kely izany ho vinanton'ny mpanjaka? Tsy hitanareo va fa izaho dia olona malahelo sady tsy manan-daza?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpanompon’i Saoly dia nilaza izany teny izany teo an-tsofin’i Davida. Nefa hoy i Davida: Moa heverinareo ho zavatra kely va izany ho vinanton’ny mpanjaka izany? Tsy hitanareo va fa izaho dia olona mahantra sady fanivaiva?
malagasy