1 Samuel 18:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Saoly: Izao no holazainareo amin’i Davida: Ny mpanjaka dia tsy mila harena be ho vodiondry, fa saron-tsotsòkan ’ny Filistina zato lahy ihany, mba ho famaliana ny fahavalony. Kanjo hevitr’i Saoly hahafaty an’i Davida amin’ny tanan’ny Filistina izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Saola: «Izao no holazainareo amin’i Davida: ‹Tsy mila zavatra akory ho vodiondry ny mpanjaka, fa hodi-tsy miforan’ny Filistinina zato lahy, mba ho voavaly faty ny fahavalon’ny mpanjaka.› » Ny hisamboran’ny tanan’i Filistinina an’i Davida no nampoizin’i Saola tamin’izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy i Saoly hoe: –Izao indray àry no holazainareo aminy: «Ny mpanjaka dia tsy mila vodiondry aminao afa-tsy tsitsy zato avy amin’ny Filistinina, mba hamaliana faty ny fahavalon’ny mpanjaka.» Izany no noheverin’i Saoly fa hianjeran’i Davida eo an-tanan’ny Filistinina.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Saoly: Izao no holazainareo amin'i Davida: Ny mpanjaka tsy mila harena be ho vodiondry, fa ny mariky ny fahafatesan 'ny Filistina zato lahy ihany, mba ho famaliana ny fahavalony. Kanjo hevitr'i Saoly hahafaty an'i Davida amin'ny tanan'ny Filistina izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Saoly: Izao no holazainareo amin’i Davida: Ny mpanjaka dia tsy mila harena be ho vodiondry, fa saron-tsotsòkan ’ny Filistina zato lahy ihany, mba ho famaliana ny fahavalony. Kanjo hevitr’i Saoly hahafaty an’i Davida amin’ny tanan’ny Filistina izany.
malagasy
Dia hoy Saoly: Izao no holazainareo amin'i Davida: Ny mpanjaka tsy mila harena be ho vodiondry, fa ny mariky ny fahafatesan'ny Filistina zato lahy ihany, mba ho famaliana ny fahavalony. Kanjo hevitr'i Saoly hahafaty an'i Davida amin'ny tanan'ny Filistina izany.[Heb. saron-tsosoka]