1 Samuel 18:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia niainga i Davida. Nandeha izy sy ny olony ka nahafaty Filistina roanjato lahy, ary nitondra ny saron-tsotsòka i Davida ka nanisa azy teo anatrehan’ny mpanjaka mba hahavinanton’ny mpanjaka azy. Dia nomen’i Saoly ho vadiny i Mikala zanany vavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary tsy mbola tapitra akory ny fetr’andro, dia nitsangana i Davida ary niainga izy sy ny olony, namono roan-jato lahy tamin’ny Filistinina sy nitondra ny hodi-tsy miforan’izy ireo i Davida; ary nomeny ny mpanjaka araka ny isany marina mba hahatonga azy ho vinantony. Ka dia nomen’i Saola ho vadiny i Mikola zanany vavy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia efa lasa nanafika i Davida sy ny olony ka nahafaty Filistinina roanjato lahy. Nentin’i Davida ny tsitsin’izy ireo ka nasehony tsirairay an’i Saoly, mba hahatonga azy ho vinanton’ny mpanjaka. Dia neken’i Saoly ho vadin’i Mikàla zanany vavy i Davida.
Malagasy Bible 1865
dia niainga Davida, ary nandeha izy sy ny olony ka nahafaty Filistina roan-jato, lahy ary Davida nitondra ny mariky ny fahafatesany ka nanisa azy teo anatrehan'ny mpanjaka mba hahavinanton'ny mpanjaka azy. Dia nomen'i Saoly ho vadin'i Davida Mikala zananivavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia niainga i Davida. Nandeha izy sy ny olony ka nahafaty Filistina roanjato lahy, ary nitondra ny saron-tsotsòka i Davida ka nanisa azy teo anatrehan’ny mpanjaka mba hahavinanton’ny mpanjaka azy. Dia nomen’i Saoly ho vadiny i Mikala zanany vavy.
malagasy
dia niainga Davida, ary nandeha izy sy ny olony ka nahafaty Filistina roan-jato, lahy ary Davida nitondra ny mariky ny fahafatesany ka nanisa azy teo anatrehan'ny mpanjaka mba hahavinanton'ny mpanjaka azy. Dia nomen'i Saoly ho vadin'i Davida Mikala zananivavy.[Heb. saron-tsotsoka]