1 Samuel 18:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ireo andrianan’ny Filistina dia nanafika, koa isaky ny nanafika izy dia i Davida no hita fa mahomby noho ny mpanompon’i Saoly rehetra, koa dia tena nisandratra ny anarany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tonga nanafika ireo andrian’ny Filistinina, ary isaky ny nivoaka ireny, dia nahomby nandresy azy i Davida noho ny fahakingany mihoatra noho ny mpanompon’i Saola rehetra, ka tonga malaza indrindra ny anarany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany fotoana izany dia nandeha nanafika ny Israelita ireo andriana filohan’ny Filistinina. Ary isaky ny misy fanafihana, dia mahery hatrany noho ireo miaramila manamboninahitr’i Saoly i Davida, hany ka tonga nanan-daza tokoa izy.
Malagasy Bible 1865
Ary ireo andrianan'ny Filistina dia nanafika; ary isaky ny nanafika izy, dia Davida no hita fa hendry noho ny mpanompon'i Saoly rehetra, ka dia nisandratra ny anarany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ireo andrianan’ny Filistina dia nanafika, koa isaky ny nanafika izy dia i Davida no hita fa mahomby noho ny mpanompon’i Saoly rehetra, koa dia tena nisandratra ny anarany.
malagasy
Ary ireo andrianan'ny Filistina dia nanafika; ary isaky ny nanafika izy, dia Davida no hita fa hendry noho ny mpanompon'i Saoly rehetra, ka dia nisandratra ny anarany.