1 Samuel 18:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandeha niantafika i Davida ka hita fa nahomby tamin’izay rehetra nanirahan’i Saoly azy; dia notendren’i Saoly hifehy ny miaramila izy sady nankasitrahan’ny vahoaka rehetra sy ireo mpanompon’i Saoly koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha nivoaka i Davida na aiza na aiza no nanirahan’i Saola azy dia nahomby izy; nataon’i Saola filohan’ny lehilahy mpiady izy, ary nankasitrahin’ny vahoaka rehetra hatramin’ny mpanompon’ny mpanjaka aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa isaky ny misy fanafihana ampanaovin’i Saoly azy, dia fahombiazana hatrany no azon’i Davida, koa dia izy no nataon’i Saoly ho kômandin’ny miaramila mpanafika; ary nahafaly tokoa ny tafika manontolo sy ny manamboninahitry ny mpanjaka izany.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida nanafika ka hita fa hendry tamin'izay rehetra nanirahan'i Saoly azy; ka dia nataon'i Saoly mpifehy ny miaramila izy sady nankasitrahan'ny vahoaka rehetra sy ny mpanompon'i Saoly koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary Davida nanafika ka hita fa hendry tamin'izay rehetra nanirahan'i Saoly azy; ka dia nataon'i Saoly mpifehy ny miaramila izy sady nankasitrahan'ny vahoaka rehetra sy ny mpanompon'i Saoly koa.