1 Samuel 18:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony vory ny olona tamin’ny niverenan’i Davida avy namono ilay Filistina dia nivoaka avy tamin’ny tanànan’ny Israely rehetra ny vehivavy ka nihira sy nandihy nitsena an’i Saoly mpanjaka tamin’ny ampongatapaka sy ny fifaliana ary ny kipantsona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony niditra izy ireo, tamin’ny niverenan’i Davida avy namono ilay Filistinina, dia nivoaka avy tamin’ny tanànan’i Israely rehetra ny vehivavy, nihira sy nandihy teo anoloan’i Saola mpanjaka, an-kafaliana, tamin’ny feon’ny ampongatapaka sy ny valiha.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny fiverenan-dry Davida avy nahafaty an’ilay Filistinina, dia nivoaka hitsena an’i Saoly mpanjaka ny vehivavy avy tamin’ny tanàna israelita rehetra; nihira sy nandihy tamin’ny feon’ampongatapaka sy ny zava-maneno hafa izy ireo, ary velona hobim-pifaliana.
Malagasy Bible 1865
Ary nony tonga ny olona tamin'ny niverenan'i Davida avy namono ilay Filistina, dia nivoaka ny vehivavy avy tamin'ny tanànan'ny Isiraely rehetra ka nihira sy nandihy nitsena an'i Saoly mpanjaka tamin'ny ampongatapaka sy ny fifaliana ary ny kipantsona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony vory ny olona tamin’ny niverenan’i Davida avy namono ilay Filistina dia nivoaka avy tamin’ny tanànan’ny Israely rehetra ny vehivavy ka nihira sy nandihy nitsena an’i Saoly mpanjaka tamin’ny ampongatapaka sy ny fifaliana ary ny kipantsona.
malagasy
Ary nony tonga ny olona tamin'ny niverenan'i Davida avy namono ilay Filistina, dia nivoaka ny vehivavy avy tamin'ny tanànan'ny Isiraely rehetra ka nihira sy nandihy nitsena an'i Saoly mpanjaka tamin'ny ampongatapaka sy ny fifaliana ary ny kipantsona.[Na: varahina telo zoro]