1 Samuel 18:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia tezitra mafy i Saoly satria tsy nankasitrahany izany teny izany ka hoy izy: Nomena an’i Davida ny alinalina fa ny ahy kosa dia arivoarivo ihany. Ny fanjakana no sisa tsy mbola azony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tezitra mafy i Saola ary tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: «Ny an’i Davida nataony alinalina, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo, ka ny fanjakana izany no sisa tsy azony».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahatezitra mafy an’i Saoly izany tononkira izany, ka hoy izy anakampo hoe: «An’alinalina lahy no nomeny an’i Davida, fa an’arivoarivo fotsiny kosa no nomeny ahy! Angamba homeny azy koa ny fanjakana atsy ho atsy!»
Malagasy Bible 1865
Dia tezitra indrindra Saoly, fa tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: Ny an'i Davida nataony alinalina lahy, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo ihany; koa ny fanjakana ihany no sisa tsy mbola azony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia tezitra mafy i Saoly satria tsy nankasitrahany izany teny izany ka hoy izy: Nomena an’i Davida ny alinalina fa ny ahy kosa dia arivoarivo ihany. Ny fanjakana no sisa tsy mbola azony.
malagasy