1 Samuel 19:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niresaka tamin’i Jonatana zanany sy tamin’ny mpanompony rehetra i Saoly ny amin’izay hamonoana an’i Davida. I Jonatana, zanak’i Saoly kosa anefa dia tena tia an’i Davida.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niresaka tamin’i Jônatasy zanany sy ny mpanompony rehetra i Saola ny amin’izay hahafaty an’i Davida. Fatratra kosa anefa ny fitiavan’i Jônatasy zanak’i Saola an’i Davida. Koa nampandre an’i Davida i Jônatasy nanao hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampahafantarin’i Saoly an’i Jônatàna zanany sy ireo minisitra rehetra ny fikasany hahafaty an’i Davida. Nefa i Jônatàna tia fatratra an’i Davida,
Malagasy Bible 1865
Ary Saoly niresaka tamin'i Jonatana zanany sy tamin'ny mpanompony rehetra ny amin'izay hahafaty an'i Davida. Fa Jonatana, zanak'i Saoly, kosa tia dia tia an'i Davida.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niresaka tamin’i Jonatana zanany sy tamin’ny mpanompony rehetra i Saoly ny amin’izay hamonoana an’i Davida. I Jonatana, zanak’i Saoly kosa anefa dia tena tia an’i Davida.
malagasy
[Ny nifonan'i Jonatana ho an'i Davida, sy ny nitadiavan'i Saoly indray hahafaty azy, ary ny nandosiran'i Davida nankany amin'i Samoela] Ary Saoly niresaka tamin'i Jonatana zanany sy tamin'ny mpanompony rehetra ny amin'izay hahafaty an'i Davida. Fa Jonatana, zanak'i Saoly, kosa tia dia tia an'i Davida.