1 Samuel 19:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nikasa hamely an’i Davida tamin’ny lefona i Saoly ka hataony miboroaka mihatra amin’ny rindrina; nefa nahay niala teo anatrehan’i Saoly izy ka ny rindrina no voan’ny lefona; dia nandositra i Davida ka afaka tamin’iny alina iny ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Notadiavin’i Saola hasiany ny lefona i Davida sy ny rindrina, saingy nitsoaka teo anatrehan’i Saola i Davida ka ny lefona no nakapony tamin’ny rindrina. Dia nandositra i Davida nilefa nandritra ny alina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Notorahan’i Saoly lefona hifantsika amin’ny rindrina i Davida, saingy nahay niala izy ka ny rindrina no voa. Afa-nandositra i Davida fa tsy maty fo aman’aina. Iny alina iny ihany,
Malagasy Bible 1865
Ary Saoly nihendry hamely an'i Davida tamin'ny lefona, ka hataony miboroaka mihatra amin'ny rindrina; fa izy nisoroka niala teo anatrehan'i Saoly, ka ny rindrina no voan'ny lefona; dia nandositra Davida ka afaka tamin'iny alina iny ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nikasa hamely an’i Davida tamin’ny lefona i Saoly ka hataony miboroaka mihatra amin’ny rindrina; nefa nahay niala teo anatrehan’i Saoly izy ka ny rindrina no voan’ny lefona; dia nandositra i Davida ka afaka tamin’iny alina iny ihany.
malagasy