1 Samuel 19:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandefa iraka hankany amin’ny tranon’i Davida i Saoly hiambina azy mba hamonoany azy raha maraina; fa i Mikala, vadin’i Davida dia nanambara taminy hoe: Raha tsy mamonjy ny ainao ianao anio alina dia ho faty rahampitso maraina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanirahan’i Saola olona, tany an-tranon’i Davida, hisambotra azy sy hamono azy ny ampitso; fa nilazan’i Mikola vadiny an’izany i Davida, nataony hoe: «Raha tsy mandositra anio alina ianao, rahampitso ihany dia maty».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
i Saoly dia nandefa olona hiambina ny tranon’i Davida ary hamono azy ho faty ny ampitso maraina. Fa i Mikàla vadin’i Davida kosa nampandre azy ka nanao taminy hoe: –Raha tsy manavotra ny ainao izao alina izao ianao, dia ho faty tokoa rahampitso!
Malagasy Bible 1865
Ary Saoly naniraka olona hankany amin'ny tranon'i Davida hiambina azy hahafaty azy raha maraina; fa Mikala, vadin'i Davida, nilaza taminy hoe: Raha tsy mamonjy ny ainao anio alina ianao, dia hatao maty raha maraina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandefa iraka hankany amin’ny tranon’i Davida i Saoly hiambina azy mba hamonoany azy raha maraina; fa i Mikala, vadin’i Davida dia nanambara taminy hoe: Raha tsy mamonjy ny ainao ianao anio alina dia ho faty rahampitso maraina.
malagasy