1 Samuel 19:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia tonga ny iraka, kanjo indro, ny terafima no teo am-parafara ary voasaron’ilay makarakara volon’osy ny lohany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niverina ny iraka, kanjo inty terafima no teo am-pandriana mbamin’ny hoditr’osy teo amin’ny fitoeran’ny lohany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niverina tany ireo iraky ny mpanjaka, kanjo indro sampy mandry eo am-parafara, miondana volon’osy, no hitany.
Malagasy Bible 1865
Dia niditra ny iraka, kanjo, indro, ny sampy no teo am-parafara, ary voasaron'ilay makarakara volon'osy ny lohany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia tonga ny iraka, kanjo indro, ny terafima no teo am-parafara ary voasaron’ilay makarakara volon’osy ny lohany.
malagasy
Dia niditra ny iraka, kanjo, indro, ny sampy no teo am-parafara, ary voasaron'ilay makarakara volon'osy ny lohany.[Heb. terafima]