1 Samuel 19:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Saoly tamin’i Mikala: Nahoana ianao no namitaka ahy toy izany ka nandefa ny fahavaloko ary afa-nandositra izy? Fa hoy i Mikala tamin’i Saoly: Hoy izy tamiko: Avelao aho handeha, raha tsy izany dia hovonoiko ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy i Saola tamin’i Mikola: «Nahoana ianao no namitaka ahy toy izany, ka namela ny fahavaloko handeha mba ho voavonjy izy?» Fa hoy ny navalin’i Mikola an’i Saoly: «Izao no nataony tamiko: Avelao aho handeha sao vonoiko ianao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy i Saoly tamin’i Mikàla: –Nahoana aho no nofitahinao toy izao? Ary nahoana no navelanao handositra ny fahavaloko? Fa izao no navalin’i Mikàla azy: –Izy mihitsy no niteny tamiko hoe: «Avelao aho handeha, sao ho matiko eo ianao.»
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Saoly tamin'i Mikala: Nahoana ianao no namitaka ahy toy izany ka nandefa ny fahavaloko, ary afa-nandositra izy? Fa hoy Mikala tamin'i Saoly: Hoy izy tamiko: Avelao aho handeha, fandrao hovonoiko
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Saoly tamin’i Mikala: Nahoana ianao no namitaka ahy toy izany ka nandefa ny fahavaloko ary afa-nandositra izy? Fa hoy i Mikala tamin’i Saoly: Hoy izy tamiko: Avelao aho handeha, raha tsy izany dia hovonoiko ianao.
malagasy