1 Samuel 19:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanambara tamin’i Davida i Jonatana hoe: Mitady hamono anao i Saoly raiko; koa miangavy anao aho, mitandrema ianao rahampitso maraina, ary mizahà fiafenana ka miere;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Tadiavin’i Saola raiko hovonoina ianao ka mitandrema tena, rahampitso maraina, mihataha ka miere.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nampitandrina azy hoe: –Mihevitra ny hahafaty anao i Saoly raiko; koa mitandrema tsara ianao rahampitso maraina; miere amin’izay fiafenana azo antoka ka mitoera ao.
Malagasy Bible 1865
Ary Jonatana nanambara tamin'i Davida hoe: Saoly raiko mitady hamono anao; koa, masìna ianao, tandremo ny tenanao rahampitso maraina, ary mitoera amin'izay fitoerana mangingina, ka miere;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanambara tamin’i Davida i Jonatana hoe: Mitady hamono anao i Saoly raiko; koa miangavy anao aho, mitandrema ianao rahampitso maraina, ary mizahà fiafenana ka miere;
malagasy
Ary Jonatana nanambara tamin'i Davida hoe: Saoly raiko mitady hamono anao; koa, masìna ianao, tandremo ny tenanao rahampitso maraina, ary mitoera amin'izay fitoerana mangingina, ka miere;