1 Samuel 19:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandefa iraka i Saoly hisambotra an’i Davida; koa nony hitan’ireo ny mpaminany tafangona sady maminany, ary i Samoela no lohany mitarika azy, dia tonga tamin’ireo irak’i Saoly ny Fanahin’Andriamanitra ka mba naminany koa izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia naniraka olona haka an’i Davida i Saola; kanjo nony hitan’ireo ny antoko-mpaminany naminany ary i Samoela nitsangana teo nitarika azy ireo, dia tonga tamin’ny irak’i Saola ny Fanahin’Andriamanitra ka naminany koa izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia naniraka olona indray i Saoly hisambotra an’i Davida. Rehefa hitan’izy ireo anefa ny andiana mpaminany izay tarihin’i Samoela fa tsindrian-daona maminany, dia nohetsehin’ny Fanahin’Andriamanitra ireto irak’i Saoly, ka nanomboka naminany koa.
Malagasy Bible 1865
Ary Saoly naniraka olona hisambotra an'i Davida; ary nony hitan'ireo ny mpaminany tafangona sy maminany ary Samoela mitsangana eo ho lohany, dia tonga tamin'ny irak'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra. ka dia mba naminany koa izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandefa iraka i Saoly hisambotra an’i Davida; koa nony hitan’ireo ny mpaminany tafangona sady maminany, ary i Samoela no lohany mitarika azy, dia tonga tamin’ireo irak’i Saoly ny Fanahin’Andriamanitra ka mba naminany koa izy ireo.
malagasy