1 Samuel 19:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nambara tamin’i Saoly izany ka nandefa iraka hafa indray izy ary naminany koa ireo. Mbola nandefa iraka hafa indray fanintelony i Saoly nefa naminany indray koa ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nambara tamin’i Saola izany, ka naniraka olon-kafa izy, ary naminany koa ireo. Dia naniraka olona fanintelony indray i Saola nefa naminany ihany koa ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha vao ren’i Saoly izany vaovao izany, dia naniraka olon-kafa izy, nefa tsindrian-daona naminany ihany koa izy ireo. Naniraka andiany fahatelo indray i Saoly, ary dia mbola toy ny teo aloha ihany no niseho.
Malagasy Bible 1865
Ary nony nisy nanambara izany tamin'i Saoly, dia naniraka olon-kafa izy, ary ireo koa dia mba naminany. Ary Saoly naniraka olonkafa indray fanintelony, nefa naminany ihany koa ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nambara tamin’i Saoly izany ka nandefa iraka hafa indray izy ary naminany koa ireo. Mbola nandefa iraka hafa indray fanintelony i Saoly nefa naminany indray koa ireo.
malagasy
Ary nony nisy nanambara izany tamin'i Saoly, dia naniraka olon-kafa izy, ary ireo koa dia mba naminany. Ary Saoly naniraka olonkafa indray fanintelony, nefa naminany ihany koa ireo.