1 Samuel 19:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nankany Naiota any Rama izy avy eo, ary tonga tao aminy koa ny Fanahin’Andriamanitra, dia nandroso hatrany izy sady naminany teny am-pandehanana ambara-pahatongany tany Naiota any Rama.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nizotra nankany Najôta any Ramà izy, ary tonga tao aminy koa ny Fanahin’Andriamanitra dia nandeha ary naminany mandra-pahatongany tany Najôta any Ramà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia lasa nankany Naiôta akaikin’i Ramà i Saoly. Teny an-dalana dia tonga taminy ny Fanahin’Andriamanitra, ka tsindrian-daona naminany mandra-pahatongany tany Naiôta izy.
Malagasy Bible 1865
Dia nankany Naiota any Rama Saoly, ary tonga tao aminy koa ny Fanahin'Andriamanitra, dia nandroso izy sady naminany teny am-pandehanana ambara-pahatongany tany Naiota any Rama.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nankany Naiota any Rama izy avy eo, ary tonga tao aminy koa ny Fanahin’Andriamanitra, dia nandroso hatrany izy sady naminany teny am-pandehanana ambara-pahatongany tany Naiota any Rama.
malagasy
Dia nankany Naiota any Rama Saoly, ary tonga tao aminy koa ny Fanahin'Andriamanitra, dia nandroso izy sady naminany teny am-pandehanana ambara-pahatongany tany Naiota any Rama.Ary nanaisotra ny fitafiany koa izy ka mba naminany tahaka ny sasany teo anatrehan'i Samoela, ary izy nandry nitanjaka mandritra iny andro sy alina iny. Koa izany no nanaovan'ny olona hoe: Saoly koa moa mba isan'ny mpaminany?