1 Samuel 19:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanaisotra ny fitafiany koa izy ka mba naminany tahaka ny sasany teo anatrehan’i Samoela, ary lavo nitanjaka nandritra iny andro sy alina iny izy. Koa izany no nanaovan’ny olona hoe: Moa mba isan’ny mpaminany koa va i Saoly?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mba niala lamba ka naminany koa izy teo anatrehan’i Samoela, sy nipetraka tamin’ny tany, tsy nitafy, nandritra iny andro iny sy ny alina manontolo. Izany no anton’ny fitenin’ny olona hoe: «Mba isan’ny mpaminany koa ve i Saola?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanala ny fitafiany tahaka ireo hafa izy, dia mba naminany teo anatrehan’i Samoela ihany koa, ary nidaboka tamin’ny tany sady nitanjaka iny andro sy alina manontolo izy. Izany no nanaovan’ny olona hoe: «Mba tonga anisan’ny mpaminany koa ve i Saoly?»
Malagasy Bible 1865
Ary nanaisotra ny fitafiany koa izy ka mba naminany tahaka ny sasany teo anatrehan'i Samoela, ary izy nandry nitanjaka mandritra iny andro sy alina iny. Koa izany no nanaovan'ny olona hoe: Saoly koa moa mba isan'ny mpaminany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanaisotra ny fitafiany koa izy ka mba naminany tahaka ny sasany teo anatrehan’i Samoela, ary lavo nitanjaka nandritra iny andro sy alina iny izy. Koa izany no nanaovan’ny olona hoe: Moa mba isan’ny mpaminany koa va i Saoly?
malagasy