1 Samuel 19:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nilaza soa an’i Davida tamin’i Saoly rainy i Jonatana ka hoy izy taminy: Aoka tsy hanota amin’i Davida mpanompony ny mpanjaka, satria tsy nanota taminao izy fa tena nahasoa anao ny nataony;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nilaza soa an’i Davida, tamin’i Saola rainy, i Jônatasy, fa hoy izy taminy: «Aoka ny mpanjaka tsy hanota amin’i Davida mpanompony, satria tsy nanota taminao izy. Fa vao mainka koa soa ho anao aza ny nataony rehetra,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Jônatàna nandoka ny hatsaran’i Davida tamin-drainy, ka niteny hoe: –Aza asianao ratsy i Davida mpanomponao, ry mpanjaka, fa tsy mba nanao izany taminao izy, sady ny soa ho anao hatrany no nikelezany aina.
Malagasy Bible 1865
Ary Jonatana nilaza soa an'i Davida tamin'i Saoly rainy, ka hoy izy taminy: Aoka ny mpanjaka tsy hanisy ratsy an'i Davida mpanompony, fa izy tsy nanisy ratsy anao, sady nahasoa anao indrindra ny nataony,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nilaza soa an’i Davida tamin’i Saoly rainy i Jonatana ka hoy izy taminy: Aoka tsy hanota amin’i Davida mpanompony ny mpanjaka, satria tsy nanota taminao izy fa tena nahasoa anao ny nataony;
malagasy