1 Samuel 19:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary efa nanao ny ainy tsy ho zavatra izy ka namono ny Filistina; eny, NY TOMPO nahavita famonjena lehibe ho an’ny Israely rehetra, ary nahita izany ianao ka faly. Koa nahoana no dia hanota handatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny ianao ka hahafaty an’i Davida tsy amin’antony?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nanao vy very ny ainy, namono an’ilay Filistinina izy, ka izy no nanaovan’i Iaveh famonjena lehibe ho an’i Israely rehetra. Nahita izany ianao sy nifaly tamin’izany. Ka ahoana no hataonao amin’ny ra tsy mana-tsiny, amin’ny famonoana, tsy misy antony, an’i Davida?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nivarotra aina mihitsy izy namono nahafaty an’i Gôliata ilay Filistinina, ka dia fandresena lehibe ho an’i Israely no azo avy amin’ny TOMPO, ary faly erỳ ianao raha nahita izany. Koa nahoana ankehitriny no hanisy ratsy olona tsy manan-tsiny ianao ka hahafaty an’i Davida tsy amin’antony?
Malagasy Bible 1865
fa izy efa nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namono ny Filistina, ary Jehovah nahavita famonjena lehibe ho an'ny Isiraely rehetra; ianao nahita izany ka faly; koa nahoana no dia hanota handatsaka rà marina ianao ka hahafaty foana an'i Davida?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary efa nanao ny ainy tsy ho zavatra izy ka namono ny Filistina; eny, NY TOMPO nahavita famonjena lehibe ho an’ny Israely rehetra, ary nahita izany ianao ka faly. Koa nahoana no dia hanota handatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny ianao ka hahafaty an’i Davida tsy amin’antony?
malagasy