1 Samuel 19:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niantso an’i Davida i Jonatana ka nanambara izany rehetra izany taminy, ary nitondra an’i Davida ho eo amin’i Saoly ka nitoetra teo anatrehany tahaka ny teo aloha ihany indray izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nantsoin’i Jônatasy i Davida ary nilazan’i Jônatasy izany teny rehetra izany, vao nentin’i Jônatasy nankeo amin’i Saola i Davida, ka nitoetra teo anatrehany, toy ny taloha indray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nantsoin’i Jônatàna i Davida ka nilazany izany resaka rehetra izany; avy teo i Davida dia nentiny nankany amin’i Saoly, ary nanompo ny mpanjaka toy ny teo aloha indray.
Malagasy Bible 1865
Ary Jonatana niantso an'i Davida ka nanambara izany rehetra Izany taminy, dia nitondra an'i Davida ho eo amin'i Saoly, ka dia nitoetra teo anatrehany tahaka ny teo aloha ihany indray izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niantso an’i Davida i Jonatana ka nanambara izany rehetra izany taminy, ary nitondra an’i Davida ho eo amin’i Saoly ka nitoetra teo anatrehany tahaka ny teo aloha ihany indray izy.
malagasy
Ary Jonatana niantso an'i Davida ka nanambara izany rehetra Izany taminy, dia nitondra an'i Davida ho eo amin'i Saoly, ka dia nitoetra teo anatrehany tahaka ny teo aloha ihany indray izy.