1 Samuel 19:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nisy fanahy ratsy avy tany amin’NY TOMPO tonga tao amin’i Saoly rehefa nipetraka tao an-tranony izy sady nitana ny lefony teny an-tanany; ary i Davida dia nitendry lokanga tamin’ny tanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay tonga tamin’i Soala ilay fanahy ratsy avy tamin’i Iaveh, raha nipetraka tao an-tranony, nitana ny lefony teo an-tanany izy; ka notendren’i Davida tamin’ny tanany ny harpa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro dia tonga tamin’i Saoly ny fanahy ratsy nalefan’ny TOMPO, raha nipetraka tao an-tranony ka nihazon-defona izy. Teo am-pitendrena harpa i Davida tamin’izay.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy fanahy ratsy avy tany amin'i Jehovah tonga tao amin'i Saoly, raha nipetraka tao an-tranony izy sy nitana ny lefony teny an-tànany; ary Davida nitendry lokanga tamin'ny tànany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nisy fanahy ratsy avy tany amin’NY TOMPO tonga tao amin’i Saoly rehefa nipetraka tao an-tranony izy sady nitana ny lefony teny an-tanany; ary i Davida dia nitendry lokanga tamin’ny tanany.
malagasy
Ary nisy fanahy ratsy avy tany amin'i Jehovah tonga tao amin'i Saoly, raha nipetraka tao an-tranony izy sy nitana ny lefony teny an-tànany; ary Davida nitendry lokanga tamin'ny tànany.