1 Samuel 2:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nivavaka i Hana ka hoy izy: Ny foko dia ravoravo amin’NY TOMPO, ny tandroko dia voasandratra amin’NY TOMPO, ny vavako dia misokatra hamaly ny fahavaloko satria mifaly amin’ny famonjenao aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nivavaka i Anà ka nanao hoe: «Ny foko misomebin-kafaliana amin’i Iaveh, ny tandroko nasandratr’i Iaveh, ny vavako misokatra hamely ny fahavaloko; fa mifaly amin’ny famonjenao aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Hanà nanao tonom-bavaka toy izao: Feno hafaliana ny foko noho ny amin’ny TOMPO; mitraka koa ny lohako noho ny aminy. ary ihomehezako ny fahavaloko. Faly aho satria novonjen’ny TOMPO;
Malagasy Bible 1865
Ary Hana nivavaka ka nanao hoe: Ny foko ravoravo amin'i Jehovah, Ny tandroko voasandratra amin'i Jehovah; ny vavako misokatra hamaly ny fahavaloko; fa mifaly amin'ny famonjenao aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nivavaka i Hana ka hoy izy: Ny foko dia ravoravo amin’NY TOMPO, ny tandroko* dia voasandratra amin’NY TOMPO, ny vavako dia misokatra hamaly ny fahavaloko satria mifaly amin’ny famonjenao aho.
malagasy
[Fisaorana nataon'i Hana] Ary Hana nivavaka ka nanao hoe: Ny foko ravoravo amin'i Jehovah, Ny tandroko voasandratra amin'i Jehovah; ny vavako misokatra hamaly ny fahavaloko; fa mifaly amin'ny famonjenao aho.