1 Samuel 2:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho torotoro izay miady amin’NY TOMPO; any an-danitra Izy no hampikotroka hamely azy. NY TOMPO hitsara ny vazan-tany rehetra; hanome hery ny mpanjakany Izy sady hanandratra ny tandroky ny voahosony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Iaveh! ho torotoro ny fahavalony, any ambonin’ny lanitra no hikotrohany amin’ireny; hotsarain’i Iaveh ny vazantany rehetra. Homeny hery ny mpanjakany, ary hasandrany ny tandroky ny nohosorany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Homontsanin’ny TOMPO ireo fahavalony; fa kotrokorana avy any an- danitra no indro hamelezany azy ireny, satria IZY no hitsara ny tany tontolo. Hanome hery ny mpanjakan’ny vahoakany Izy ary hampitombo fahefana an’ilay Mesiany.
Malagasy Bible 1865
Ho torotoro izay miady amin'i Jehovah; any an-danitra Izy no hampikotrokorana hamely azy. Jehovah hitsara ny vazan-tany, ary Izy hanome hery ny mpanjakany sy hanandratra ny tandroky ny voahosony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho torotoro izay miady amin’NY TOMPO; any an-danitra Izy no hampikotroka hamely azy. NY TOMPO hitsara ny vazan-tany rehetra; hanome hery ny mpanjakany Izy sady hanandratra ny tandroky ny voahosony.
malagasy
Ho torotoro izay miady amin'i Jehovah; any an-danitra Izy no hampikotrokorana hamely azy. Jehovah hitsara ny vazan-tany, ary Izy hanome hery ny mpanjakany sy hanandratra ny tandroky ny voahosony.